Actualités

Mahazoarivo Mila olona toa an’i Erick Rajaonary


  • Talata 01 Martsa 2016

Marefo ny fandriampahalemana, manjaka ny kolikoly. Mitaraina ho tsy misy mpijery ny tantsaha

 

. Miahotra ho avy aty Madagasikara ny mpampiasa vola vahiny noho tsy fisian’ny fitoniana politika eto Madagasikara. Mandia fotoan-tsarotra ny toekarena, taorian’ny nisintahan’ny mpandraharaha tamin’ny sehatry ny fifampidinihana amin’ny Fanjakana. Farany teo moa dia ireo orinasa “Transit”, misahana ny fandefasana sy famoahana entana eo anivon’ny ladoany noho ny fisiana didim-pitondrana voalaza fa hanadiovana io sehatra io, didim-pitondrana famonoana ny sehatr’asa misy azy ireo, hoy ireo “Transitaires”… Mila olona manana traikefa, madio tanana, efa voaporofo teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fahaiza-mitantana sy ny fahaiza-mitarika ary manana vina momba ny fiharian-karena mifototra amin’ny fitiavan-tanindrazana ny fanarenana ny zava-misy ankehitriny. Mahafeno ny fepetra amin’izany i Erick Rajaonary, mpandraharaha filoha mpanorina ny orinasa Guanomad sady filoha am-perinasan’ny FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy). Maro no resy lahatra fa ny fanendrena azy ho praiminisitra lehiben’ny governemanta dia hitarika ny fiverenan’ny fitokisan’ny mpandraharaha ary dia ho santatry ny fanarenana ara-toekarena eto Madagasikara izany. Teny filamatry ny FIVMPAMA  tarihiny rahateo ny hoe : “Iray vina – Miray hina- Fahombiazana”. Ny filohan’ny Repoblika moa no tompon’ny teny farany amin’ny fanendrena praiminisitra ka any aminy izany ny baolina.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT