Miandry ny ho tohin’ilay fihaonana an-tampon’ny filoha 5 ny zoma lasa teo ny rehetra, hanao ahoana indray ny tontolo politika ? Iza no mankasitraka ary iza no tsy resy lahatra tamin’iny dingana iray azo ambara hoe goavana vitan’ny FFKM iny ?
Tsy hisy mantsy ny fomba fijery hoe hitovy 100% izany fa ny olona tsy maintsy samy manana ny heviny. Efa manomboka velom-bolo kosa Ramalagasy nahita ireto filoham-pirenena nifandimby nifandray tanana sy nahavita niresaka nandritra ny 8 ora, ary tsy nisy intsony ny nisendaotra sy nivoaka ny efitrano fivoriana tahaka ny nisy nandritra ny tetezamita. Tsy nisy ihany koa avy eo ny fanambarana manambony tena na manakiana ny hafa na mihantsy fa dia samy nanaja ny fifanarahana ny rehetra fa ny FFKM irery ihany no miresaka amin’ny mpanao gazety sy mampita ny vaovao. Tsy tongatonga ho azy ireny rehetra ireny fa efa nisy ny fiomanana mafonja, ary samy nitazona ny teniny ny tsirairay ka nanaiky ny hihaona. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny tsiambaratelo, tahaka ny fifanarahana rehetra, fomba efa mahazatra izany fa ny zava-dehibe ho an’ny vahoaka fotsiny dia filaminana sy fitoniana ary vahaolana ialana amin’ny krizy fa efa tena mafy izay enin-taona nihodinkodinana sy nifanenjehana teto izay e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.