Matoa miaka-pofona ireo mersenera politika dia ao raha ! Misy antony goavana mantsy matoa miteny manao rodobe tahaka ireny omaly teny Antaninarenina ireny izy ireo
Efa fantany fa tsy azo ihodivirana ilay fifampiresahana eo amin’ireo filoha ka raha toa ireo ka mifanaraka dia veloma hatreo ny seza fa zavatra hafa mihitsy indray no hitranga eto Madagasikara. Ilaina mihitsy ny fanehoan-kevitra, tsara raha misy hevitra maro samihafa mipoitra etsy sy eroa, ilaina izany ho ana firenena ambara fa demokratika, ny olona rahateo manan-jo hahalala vaovao maro lafy ; saingy ny olona koa tsy adala fa efa mahay manavaka ny setroka sy ny tomany. Misy mpanao politika eto, tsy hita tabilao raha tsy misy zavatra mafampana, na misy korontana kely. Ireny ilay atao hoe mpilalao politika. Andavanandro, tsy dia manana foto-kevitra mazava izy ireo, fa rehefa misy ohatra ny fifanenjanana eo amina hery politika roa, dia indro fa mipoitra tampoka izy ireo ary milaza fa manohana an-dranona, na manohatra an-dranona. Efa nandalo ny krizy tamin’ny 1972, 1991, 2002 ary 2009 ny Malagasy ka tokony hahay manavaka tsara amin’izay ny olona mampiesona sy ny olona tena tia tanindrazana. Samy afaka miteny sy milaza ny heviny fa dia anjaran’ny vahoaka no mandidy sy manapaka, fa raha ny vahoaka koa moa no mbola manaiky ampiesonina dia efa resaka hafa izay.Fa na ahoana na ahoana adihevitra atao dia mba mahavelombolo kosa aloha ny fahatsapana ny fisian’ny dingana azo tsapain-tanana amin’ny tena fampihavanam-pirenena mialoha ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.