Actualités

Mahanoro dibo-drano Tonga ny fanampiana


  • Talata 18 Febroary 2020

Nidina avy hatrany, nijery ny zava-misy sy nankahery ny traboina tany amin’ny distrikan’i Mahanoro,

 

 

 Faritra Atsinanana ny solontenam-panjakana notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nandalovan’ny andro ratsy nateraky ny rivodoza Francisco teto amintsika ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano tanteraka i Mahanoro, nisy ny rava trano, maro ireo traboina sy tsy manan-kialofana, ary simba ny fambolena. Nitondra teny fampiononana ny fanjakana satria nisy ny zaza namoy ny ainy tototry ny tany, nisy koa ireo tsy hita popoka. “Tsy maintsy mifanampy isika satria samy Malagasy », hoy ny praiminisitra. Ankoatra ny fanolorany sakafo ho an’ny traboina tao an-tampon-tanàna, dia nitety ireo trano misy ny traboina tao amin’ny fokontanin’Ambilabe ny tenany.  Nangatahan’ny mponina ny hanamboarana ny CEG Ambilabe, izay rava tanteraka. Hentitra izy ny amin’ny tsy maintsy hijerena ny fomba hametrahana fandriampahalemana sy hiarovana ireo toeram-ponenana tafiditra anaty faritra iva, izay nilaozan’ny traboina sy any amin’ireo toerana mandray azy ireo. Hojerena, ankoatra izay, ny toerana na trano tena simba mba hamaritana haingana ny fanampiana hatao ary nambarany fa ho tonga any Mahanoro ny minisitry ny mponina izay sady zanak’iny Faritra iny, hitondra fanampiana hafa ihany koa. Efa tonga any an-toerana ny fiarabe iray avy amin’ny BNGRC, nitondra ireo ampahany amin’ny fanampiana; ary efa tonga any koa ny sambokely haingam-pandeha, hanamorana ny famonjena ireo olona traboina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT