Tahaka ny isan-taona dia anisan’ny mitera-doza amin’ny fotoana fitsangantsanganan’ny fianakaviana maro ny faran’ny herinandro ny paska tahaka ny farany teo.
Tamin’ity taona ity noho ny 29 martsa nifanandrify tamin’ny faran’ny herinandron’ny paska, dia nahatratra efatra andro ny fialantsasatra. Tao Soanierana Ivongo dia nitera-doza ny alatsinain’ny paska. Raha niezaka ny nanasaraka ireto tovolahy mpianatra niady noho ny fiakaran’ny hafanan’ny toaka, ity zandary GP2 mba nanararaotra niara-nitsangantsangana tamin’ny vady aman-janany ity, no voatsatok’antsy teo amin’ny fony raha tezitra tamin’ny fanasarahana azy ilay tovolahy iray izay mpianatry ny lycee ao Soanierana Ivongo. Tezitra tamin’ny zava-nisy koa ireo nanatrika ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay tovolahy raha tsy tonga haingana ireo mpitandro ny filaminana. An-kilan’izay, fianakaviana avy niatrika ny “festival Somaroho” tao Mahavelona Foulpointe no tra-doza tao Mahambo ny alatsinainy hariva tokony tamin’ny 6ora. Naratra avokoa izy 27 mianaka tao anatin’ilay fiara 4x4, nefa ireo nifatratra taorian’ilay fiara no tena voa mafy noho ilay fiara nivadika in-telo vao nijanona. Herintaona ny zaza kely indrindra raha 15 taona no zokiny, nefa ity zaza 10 taona no tena voa mafy noho ny lohany voadona mafy ka nahatonga azy mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny alatsinainy alina sy omaly nidirany famonjen’aina ny hopitaly be.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.