“Ny ao an-dovia tsy lany ny any am-bilany takarina”. Io no azo ilazana ny zava-misy eo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Raha ny hita mantsy omaly alakamisy nandritra ny tsena dia nisy indray ny fanalana ireo mpivarotra eo anoloan’ny tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena Mahamasina
Vao mangiran-dratsy dia efa tonga teny Mahamasina ny polisy monisipaly sy ireo vatan-dehilahy mpiasan’ny kaominina mpanala mpivarotra amoron-dalana,nilaza ireto mpivarotra ireto fa efa ho fito volana izao no nivarotan’nizy ireo teo amin’io toerana ampovoan’ny fiholanana sy manoloana ny tsangambato manoloany ny kianjaben’i Mahamasina io.Miisa 80 teo ho eo indray ireo mpivarotra noesorina tamin’ny toerany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny kaominina dia tsy maintsy noraisina io fepetra io mba hanalefahana ny fitohanan’ny fiarakodia eny amin’iny toerana iny sy ny manodidina azy. Etsy an-kilany ireo mpivarotra dia nilaza fa namely tampoka ny kaominina amin’izao fepetra noraisin’izy ireo izao.”Ekena fa nisy ny taratasy nalefa ary tsy mandà ny hiala izahay”, hoy ireo mpivarotra fa tsy tokony ho ao anatin’ny fotoana hivarotana tahaka izao no hanaovana izany. Milaza hatrany izy ireo fa tokony homena toerana tsy lavitra ny toerana misy azy ireo teo aloha. Nilaza moa ny kaominina fa tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.