Hisy hetsika fanangonan-tsonian’ny olom-pirenena hotanterahina manoloana ny Lapan’ny tanŕnan’i Mahajanga ny tontolo andron’ny zoma 9 septambra izao,
ho fanoherana ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana eto Madagasikara vao nolanian’ny Parlemanta, nohamarinin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa havoaka hanan-kery amin’izay. Toy ny teto an-drenivohitra ny sabotsy 3 septambra teo, dia ny mpanao gazety ao Mahajanga no miara-mikarakara ity hetsika fanangonan-tsonia ity. Hiara-dalana amin’io koa ny radio Miara-Manonja, izay hiarahan’ireo haino aman-jery ao Mahajanga ka ny onjam-peo M3FM no hampiantrano azy ary hanaparitaka amin’ireo haino aman-jery samihafa toy ny Viva, Radio Fanambarana ary ny RDB. Hifambimby hiteny mandritra izany fandaharana izany ireo mpanao gazety ao an-toerana hanazava ny maharatsy ity lalàna ity.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.