Actualités

MAHAJANGA Niakatra 600 ariary ny vidin’ny mofo


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Niakatra nanomboka ny talata 20 janoary 2015 teo ny vidin’ny mofo ho 600 ariary raha 500 ariary izany teo aloha. Noho ny fiakaran’ny vidin’ny lafarinina eny amin’ny tranombarotra no antony mahatonga ny fiakarana. Niteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka izany satria dia efa tsy mahazaka

 

an’izany intsony ny ankamaroan’ny olona. Tsy nanaiky ny tambajotra miaro ny zon’ny mpanjifa ao an-toerana fa niantso avy hatrany ireo mpamongady sy mpanamboatra mofo rehetra. Tsy manaraka ny lalàna misy eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa Gabin ny fampiakarana vidin’ny mofo ao Mahajanga io. Niaiky ireo mpivarotra sy ny mpamokatra mofo fa hijanona tamin’ny vidiny teo aloha mandrapahatongan’ny faran’ny volana febroary izao. Mialoha an’io anefa dia hiakatra eny amin’ny minisiteran’ny varotra ny fikambanan’ny mpiahy ny zon’ny mpanjifa amin’ny tokony hijerena manokana mikasika ity fiakaran’ny vidin’ny lafarinina ao Mahajanga sy manerana ny nosy ary mahatonga ireo mpamokatra mofo mampiakatra ny vidiny. Ho hita eo ny tohiny.

                                                                                                                                       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT