Tranga mahavariana ny maro ao Mahajanga ny fahitana ny valanaretina izay somary hafahafa ary tsy fahita isan’andro. Mangididy avokoa ny vatana rehefa tratrany izay miafara amin’ny fivontosana
. Ny ankizy tsy ampy taona no tena lasibatr’ity aretina tsy fantatra ity. Hatramin’izao aloha tsy mbola fantatra izay tena antony. Ny avy eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamam-bahoaka tsy mbola nahenona fanambarana mikasika ity aretina mangidihidy ity. Tsy misy ihany koa ny fisorohana amin’ny aretina. Maro anefa no milaza fa avy amin’ny orana no mahatonga azy io noho ity farany efa maloto ka mikasika amin’ny hoditra. Ny fitandremana ihany anefa no fisorohana tokony hatao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.