Taorian’ny didy navoakan’ny mpanolotsaina monisialy farany teo mahakasika ny fitaovam-pitaterana ao Mahajanga dia afaka miasa mandra-marain’ny andro ny Bajaj rehetra ary tsy mifidy toerana aleha.
Nanararaotra anefa ireto farany, indrindra rehefa miasa alina. Mandendaka ireo mpandeha aminy ny sasany amin’ireo mpamily bajaj ireo. Ny talata alina tokony ho tamin’ny 9 roa teo dia naka mpandeha teny amin’ny Aranta ny mpamily bajaj iray sy ny mpanampy azy. Niakatra ireto mpifankatia roa ireto ka rehefa tonga amin’ny toerana mangina dia nijanona izy ireo ka dia norahonany tamin’ny antsy izy roa mpifankatia. Lasan’ireo mpitondra bajaj ny finday sy ny vola sasany. Nitaraina ireo mpandeha ao Mahajanga satria dia mateti-piseho ny tranga tahak’izao. Ilaina hatrany ny fitandremana, indrindra eo amin’ireo mpandeha alina. Tsy manakana an-dalana intsony ny mpanendaka fa efa eny ambony ny fitaovam-pitateram-bahoaka mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.