Aretina tsy mbola afaka eto Madagasikara ity resaka delestazy ity. Herinandro lasa izay no niverina indray ny delestazy lavareny tao Mahajanga ary tsy mifidy ora ny fahatapahan-jiro isan’andro. Maharitra adiny efatra ny fahatapahana.
Raha ny fanazavana azo avy amin’ny orinasa Jirama dia noho ny fahasimban’ny milina ny orinasa Eneleque izay manampy ny Jirama no antony mahatonga ny fahatapahana matetika. Tafiditra ao anatin’ny rotsak’orana io delestazy io ka manararaotra arak’izay koa ny tompon’andraikitra amin’ny fanapahana ny herinaratra. Tsy mbola fantatra aloha hatreto izay fotoaa hahavitan’ny milina miisa roa an’io orinasa Eneleque io. Haharitra am-bolana maro ny delestazy ao Mahajanga raha izao no fandehany satria dia tsy manana vahaolana ahafahana manamboatra ireo milina simba ireo ny orinasa. Etsy an-daniny ny fanjakana tsy manana soso-kevitra raisina mikasika azy io manerana ny nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.