Aretina mateti-piseho isaky ny fotoam-pahavaratra ny tazo mahery. Mirongatra ary tsy mifidy salan-taona ny olona mety ho tratran’io aretina io
Avy amin’ny loto sy lobolobo no tena mampirongatra ny aretina. Nahazo vahana ary efa miparitaka ao Mahajanga ity tazo mahery ity. Mahatratra 50 mahery isan’andro ireo olona tonga manatona ny tobim-pahasalamana mitsabo tena noho io aretina io. Ahiana tsy haharaka ny filan’ny marary ny fanafody eny amin’ny tobim-pahasalaman-panjakana, ny fanentanana amin’ny ady amin’ny loto rahateo mangingina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.