Tsy fanarahan-dalŕna miampy tsy fananana ireo antontan-taratasy fahazon-dalana mitrandraka io zotra “suburbaine” io ity fiaran'ny
Tafika malagasy iray ity ka nampitaraina ireo koperativa rehetra eny amin’ny toby fiantsonana Ampasika. Izy rahateo tsy miditra toby fiantsonana fa mameno eny rehetra eny. Efa nampiakatra ny raharaha io eny amin’ny federasiona misahana ny fitaterana an-tanety moa ireo koperativa ara-dalàna ao amin’ny zotra suburbaine, ary mbola manamafy sy miantso ireo ambaratonga mahefa rehetra miahy ny fitaterana io ireto farany hisorohana ny korontana. Ny kamiao rahateo dia sokajiana fa tsy ahafahana mitondra mpandeha raha tsy mahafeno ireo fepetra voarakitra ao amin’ny bokin'andraikitra, araka ny lalàna mifehy ny fitaterana eny amin'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.