Actualités

Mahajanga Fatina tovovavy iray natsingevan’ny rano


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Tovovavy iray tokony ho 20 ka hatramin'ny 23 taona no maty an-dranomasina hita teo amin'ny moron-dranomasina mifanandrify amin'ny ENEM omaly tokony ho tamin’ny 4 ora hariva.

 

Miakatra be ny ranomasina ka tsy fantatra marina izay fiavin'ny razana tamin’ny fotoana nahitana azy, fa izy natopatopan'ny onja no hita. Naterina avy hatrany tao amin’ny Tranompaty ao Androva ny razana, izay notombanana ho tamin’ny 10ora ka hatramin’ny 11ora antoandro no nahafatesany. Ambohipihaonan’ny tanora miatrika ny JMJ Mada 2018 amin’izao ary maro no mety liana sy manararaotra milalao na milomano amin’ny ranomasina, saingy ilaina ny mailo hatrany. Misy rahateo ireo toerana tsy dia ahitana karazana fady, ka zava-dehibe ny fanajana azy. Vao ny faran’ny herinandro teo rahateo no nisy semban-drahona noho ny fahafatesan’ilay tovovavy vao 22 voafaokan’ny fiara sprinter teny Ankazobe. Ny hirariana dia ho lasan’izay rehetra izay ny ratsy rehetra.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT