Hanomboka amin’ny 14 martsa izao ny vaksiny momba ny biby. Tsy maintsy ho vita vaksiny avokoa ireo biby fiompy rehetra ao Mahajanga amin’ity taona ity.
Ny kisoa, ny omby, ny akoho aman-borona ary ny alika no tena arahi-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo noho ity farany mifandray mivantana amin’ny olombelona ka tsy maintsy ezahina ho vita vaksiny. Haharitra herinandro ny hetsika ka ireo mpitsabo biby dia ho hita manerana ny biraon’ny fokontany.
ANDRANOMANALINA AFOVOANY
Trano maro no potika noho ny hain-trano ny alarobia alina vokatry ny "court-circuit" araka ny filazan’ny teny an-toerana. Tsy nisy ny aina nafoy, nisy kosa olona vitsivitsy naratra ary entana maro no potika sy rava.
ANDRAMENA
Nitondra fanazavana ny minisitry fiompiana Ramparany Anthèleme fa mbola depiote izy tamin’ny aprily 2014 nialan’ireo andramena teto Madagasikara, ka giazana any Singapour ka tsy manana fahefana hanao sonia antontan-taratasy hamoahana azy teto.
VOLAMENA
Volamena 350kg no nisy nanao fanambarana hatreto. Manana hatramin’ny faran’ny volana martsa 2016 ireo mpandraharaha amin’io sehatra io hanao fanambarana any amin’ny ANOR (Agence nationale de l’or) ny vokatra trandrahany.
KERE
Nanao tolotanana vary 1,750 T, ronono, voamaina, kojakojam-pianarana ho an’ireo Malagasy tra-pahasahiranana noho ny tsy fanjarian-tsakafo goavana any Atsimo ny mpianatra ho mpiasam-panjakana ambony ENAM Androhibe.
ANKASINA
Fianakaviana 11 trano no manohitra marindrano ny hanesorana azy ireo amin’ny taniny, noho ny fanatanterahana fanamboaran-dalana tafiditra amin’ny fampiantranoana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia eto Madagasikara.
AMPASIKA
Notokanana omaly alakamisy maraina ilay paositry ny polisy etsy Ampasika. Vao maraina dia efa tsy azo naleha iny lalana iny ka nitohana ny fiara teny an-toerana. Ny praiminisitra Jean Ravelonarivo no tonga nitokana ny fotodrafitrasa teny an-toerana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.