Namela takaitra any amin’ny Kaominina Mahajamba Usine, distrikan’i Mahajanga II ny
oran’andro nisesy hatramin’ny fiandohan’ny herinandro. Vokany, tondraka ny reniranon’i Mahajamba, ka nanondraka ny tanàna. Omaly maraina, dia Fokontany efatra no dibo-drano. Niantso fanampiana tamin’ny AQUALMA, izay orinasa mpiompy makamba, amin’ny sambo kely haingam-pandeha hitaterana ny olona traboina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.