Tsy niherina akory ny taona dia niverina tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny i Solonandrasana Mahafaly Olivier.
Izy no nanome alalana ny fijoroan’ny fikambanam-pinoana ECAM (Eglise Catholique Apostolique Malgache), namoahany didim-pitondrana (36651/2015) fony izy minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana, enim-bolana lasa izay. Mbola izy ihany koa anefa, no namoaka didim-pitondrana (8575/2016) manafoana ny fisian’ny ECAM io, izay manana foiben-toerany any Bekily-Toliara.
Ny zoma 8 aprily 2016, andro nanendrena an’i Solonandrasana Mahafaly Olivier ho praiminisitra lehiben’ny governemanta no namoahany io didim-pitondrana 8575/2016 io. Heverina fa io no fanapahan-kevitra faramparany noraisiny amin’ny maha minisitry ny Atitany azy. Tsy nambara moa ny anton’io fanafoanana io, fa ny tsaroana dia niteraka resabe teo anivon’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana (EKAR) ny nanomezan’i Mahafaly Olivier fahazoan-dalana ny fisokafan’ny ECAM io. Nisy tsindry ve tany ho any ? Olona nandalo tao amin’ny sekoly fanomanana ho pretra katolika anefa ny minisitry ny Atitany teo aloha ity, ka mahalala tsara ny foto-pinoana ao.
Nampitsangam-bolo sy nahavelon’ahiahy ny mpino kristianina amin’ireo fiangonan-dehibe mivondrona eo anivon’ny FFKM io fisokafan’ny ECAM io, sy ny nanomezan’i Solonandrasana Mahafaly Olivier fahazoan-dalana hisokafan’ireo Mosquée an’arivony nandritra ny roa taona naha minisitry ny Atitany azy, nialoha izao fanendrena azy ho praiminisitra izao.
Fanjakana laika no misy eto Madagasikara, ary malalaka ny Olompirenena amin’izay finoana harahiny sady zo omen’ny lalàmpanorenana azy rahateo. Midika ve anefa izany fa sokafana eto avokoa izao karazam-pinoana rehetra izao na mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny fahalalahan’ny hafa aza ?
Asa tokoa na mety ho fifanandrifian-javatra fotsiny ihany na misy ifandraisany amin’izany, fa nanjary firenena fiondranan’ireo Silamo mitsoa-ponenana noho ny ady any Syria any i Madagasikara. Tato ho ato ihany koa dia nanjary lasibatry ny mpangalatra ny lakolosin’ireo fiangonan-dehibe mivondrona eo anivon’ny FFKM, toy ny an’ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) tamin’iny Faritr’i Menabe sy Atsimo Andrefana sy Androy iny. Lasibatra ihany koa ny an’ny EKAR (Eglisy Katôlika Apôstôlika Romana), vao farany teo tao Amparafaravola. Tsy tongatonga ho azy koa ny fanenjehana totoafo sy fanalam-baraka ny filohan’ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara), Rasendrahasina Lala, Mpitandrina farany teo ireny. Mampieritreritra !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.