Actualités

Mahafaly Olivier Mandamin-tsaina


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Nitondra ny hafatra avy amin’ny Filoham-pirenena ny Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Olivier raha tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-16 amin’ny lalao

ara-panatanjahantena iraisan’ireo mpiasam-panjakana manerana an’i Madagasikara na ny ASOIMI (Association des Omnisports Inter-Ministériels) tanterahina ao Mahajanga, fa amin’ny andiany manaraka izay hatao any Toliara dia hitondra fanampiana (120 000 000 Ariary) ho an’ny birao maharitry ny ASOIMI ny Fitondram-panjakana mba hahatomombana tsara ny fikarakarana ny fifaninanana. Ezahina ihany koa ny ampitoviana mira ireo mpifaninana tsirairay ka hotolorana “survette” ny isaky ny minisitera. Raha tarafina amin’io fanambarany io dia milamin-tsaina ny praiminisitra fa tsy hampihozongozona ny sezany, na koa mampihontsona ny fitondrana misy ny hetsi-pitakiana sy fanoherana miseho ny amin’izao fotoana. Toa valin-teny an-kolaka koa no nataony, taorian’ilay resa-bola nalefa tany amin’ny Kaominina Ambohimahamasina, Distrika Ambalavao nefa nisy namindra tampoka tamin’ny kaontin’olon-tsotra, ka voatonona ny anarany. Vaovao izay nahoraka tamin’ny haino aman-jery iraisam-pirenena.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT