Mirongatra indray ankehitriny ny asan-dahalo any amin’ireo faritra betsaka omby. Raha saika isan’alina izao no andrenesana hazo lava na antso vonjy noho ny asan-dahalo any amin’iny faritr’i Betroka iny dia tany Ankilivalo,
disitrikan’i Mahabo indray no nanamparan’ny dahalo ny fihetraketrahany ny fiandohan’ny herinandro teo. Andian-dahalo miisa 40 mahery no nanafika ny tanànan’Ankilivalo ary nentin’ireo dahalo avokoa ny omby rehetra izay sendra azy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’izy ireo ihany koa vehivavy roa nataon’izy ireo takalon’aina. Noho ny ezaky ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana izay miara-miasa akaiky amin’ny andrimasom-pokonolona dia azo daholo ireo omby tany am-pelatanan’ireo dahalo ary tafaverina ihany koa ireo vehivavy nataon’izy ireo takalon’aina. Nisy maty roa kosa tamin’ireo andrimasom-pokonolona izay nanara-dia ary nisy maty roa toy izany koa tamin’ireo dahalo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.