Mafampana ny hetsi-pitakiana ataon’ny Vahoaka, hialan’ny sinoa mpitrandraka harena ankibon’ny eto amin’ny firenena.
Taorian’ny tany Mananjary dia re izao fa efa misy tonga koa any amin’ny kaominina Mahabako, Distrika Manakara nitondra fitaovana hoenti-mitrandraka harena ankibon’ny tany. Tsy niandry ela ny mponina any an-toerana fa naneho ny tsy fankasitrahany izany omaly ary mitaky ny hialan’ireo mpitrandraka ireo any an-toerana, fa sady manimba tontolo iainana no mandoto ny reniranon’i Faraony. Rehefa tsy handray ny andraikiny ny fanjakana dia ireo vahoaka no hijoro hiaro ny harem-pirenena tsy hataon’ny vahiny tantely afa-drakotra. Mifanindran-dalana amin’izany, tapitra omaly alarobia 21 septambra 2016 ny fe-potoana nomen’ny olona ilay orinasa sinoa Jiuxing Mines any Soamahamanina-Miarinarivo mba hialany tanteraka any an-toerana. Efa tena romotra noho ny ataon’ity orinasa ity sy ny mpitondra izay efa sokajian’ny Malagasy ho mpivarotra tanindrazana ny mponina ka ahiana ny hisian’ny hetsika mahery vaika sy fifandonana anio. Hatreto anefa toa minia tsy mahita sy tsy maheno ny antsoantson’ny vahoaka ny fanjakana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.