Miteraka resabe ao Sambava ny fampidirana olona hanorina toeram-pivarotana ao anatin’ny faritra nisy ny Magro (Malagasy Grossite) ao Sambava Centre
Milaza Atoa Benja tompon’andraikitra misahana ity faritra nisy ny Magro Sambava ity, omaly, fa “tsy an’ny fanjakana fa fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io toerana io ka noho izany dia izahay no tompon’ny teny farany na asianay mpivarotra eto na tsia, satria zary toerana fieren’ny andian-jatovo maditra sy ataon’izy ireo fifohana zavamahadomelina io toerana io taorian’ny 2009, ary nony taty afara dia nataon’ny sasany fanaovana maloto ka nahatonga izao fandraisana fanapahan-kevitra izao”. Nambarany fa “vitsy ihany ireo mpivarotra hampidirina ao fa rehefa vita ny fetin’ny faran’ny taona dia hoesorina izy ireo”. Ny lehibeny Faritra SAVA, Atoa Mananjara Lucien, etsy ankilany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny zoma lasa teo mikasika ity Magro Sambava ity dia nangataka mba tokony hisy ihany ny fangatahana amin’ny kaominina ambonivohitr’i Sambava rehefa hamela olona hivarotra ao noho ity toerana ity ao anatin’ny faritry ny fiadidian’ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.