Actualités

Magro Behoririka « Tsy tsaraina ary tsy mila amnistia i Dada »


  • Talata 18 Novambra 2014

Nitohy hatrany ny hetsiky ny Magro Behoririka. Ragodonarison Guy Roger no nampita ny hafatra avy amin’I Neny Lalao Ravalomanana.

Misaotra ny movansa Ravalomanana, ny mpitarika ny vahoaka i Neny tamin’ny fanotronana ny vavaka teny Mahamasina omaly.  Maneho ny fankasitrahana i Neny tamin’ny fandraisana azy taorian’ny vavaka fa tao anatin’ny filaminana no nanaovana izany. Isaorantsika ny mpitandro ny filaminana, hoy Sazalahy Tsianihy fa nampiova fo ny dahalo tany Atsimo, aoka koa mba hiova fo hamerina an’i Dada eny Faravohitra izy ireo. Tonga maro teny amin’ny Fjkm Atsimon’i Mahamasina ny ankolay Ravalomanana, midika izany fa vonona amin’ny fampihavanana isika, hoy hatrany izy ary tena mitory fitiavan-tanindrazana izany. Hilarion Rarison kosa dia nanambara fa fitsarana tsy mahefa no nitsara ny filoha Ravalomanana teto nandritra ny tetezamita ary tsy mila famotsoran-keloka  izany izy.  Ny anay dia sady tsy tsaraina i Dada no tsy mila amnistia hoy izy. Tanteraho ny tondrozotra, avereno eny Faravohitra ny filoha Ravalomanana ary avelao hanendry ny solontenany hiatrika ny fampihavanana fa izy ihany no mahay io. Raha toa ka hotsaraina  noho ny fidirany teto Madagasikara farany teo ny filoha Ravalomanana  dia aleo tsaraina avokoa ireo olona 109 nambara fa nanongam-panjakana tamin’ny 2009 ; hoy i Hilarion Rarison.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT