Tsy ampy fa tokony ho izy mianakavy hody any an-tranony eny Faravohitra no ilaina, hoy Rtoa Brenda CST teo aloha tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, satria nahavita soa tamin’ny firenena io
fianakaiviana io ka na fety na fahasahiranana dia takiana foana ny fodian’izy ireo an-trano fonenany. Na izany aza, isaorana ihany ny mpitondra nampihaona an’io fianakaviana Ravalomanana Marc io ka nahafahan’izy ireo niara-nivavaka tamin’ny alahady, misaotra ihany koa i Dada sy Neny nanome hafatra sy nampahery. Mbola ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ihany no ijoroan’i Marc Ravalomanana, hoy Rarison Hilarion, mbola hiady amin’ny fahavalon’i Madagasikara na dia mafy aza ny mahazo azy. Havereno an-tranony izy dia mahavita 2018 ianao ry filoha Rajaonarimampianina satria manaiky ny baikony ny zanany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.