Actualités

Magro Behoririka Fanjakana mandroso mihemotra tahaka ny lelon-jaza no misy eto


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Mahagaga, hoy i Guy Roger mpitarika ny fikambanan’ny gadra politika tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, fa ny mpividy bolabola indray no mametraka fepetra amin’ny fanjakana nefa bolabola Malagasy notapahina fahatany no resahina. Dia ny vahoaka koa no mitsara, hoy izy, hafa kely tsy toy ilay nomen’ny filoha Marc Ravalomanana ny kit scolaire zarain’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa entan’ny T1 sy T2 ihany no mety antonona ao anaty kitapo

Betsaka ny nisaotra tamin’ny fanambarana natao teto an-kianja omaly mikasika ny fanoherana ataontsika, hoy i Manoela Toliara. Fanavotana an’i Madagasikarta no atao ary ny voalohany indrindra dia ny fodian-dRavalomanana, hoy izy. Tsy vitan’ny tsy mahay mitantana ny fitondrana fa mivarotra tanindrazana amin’ny Frantsay. 9 volana nanohanana azy ny olona nefa pasipaoro giazana no setriny.  Dia lany olomanga tokoa ve ny Malagasy fa olona efa nanapotika ny Sirama taloha indray no notendrena ho CA Jirama ? Tsy mahay mizahatany izany ny Sinoa fa ny ataony dia mijery  izay zavatra  azo halaina tahaka hatrany.  Nisaotra tamin’ny fanambarana natao teto an-kianja omaly ny filoha Ravalomanana, hoy Rtoa Brenda Ambatondrazaka,  ary faly koa ny vahoaka, tsy hijanona izahay mpitarika  ary mikoropaka ny ao an-dapa. Horaisintsika avokoa izay mifanome tanana amintsika. Tsy ho lasa alavitra io fanjakana tsy misy fototra io, hoy Hilarion Fianarantsoa, voaatitra androany avokoa ny taratasy ka manazava sisa rehefa antsoina isika. Na miala PMP aza ireo depioten’ny ankolafy Ravalomanana dia  tsy hanimbinana tsy akory ny tombontsoa rehetra. Misy tsy tonga saina foana nefa ny karama aza efa rimbinana, hoy i Zafilahy Stanislas. Fanjakana mandroso mihemotra toy ny lelon-jaza io ankehitriny io ka sarotra amin’ny Iraisam-pirenena no hatoky izany. Tsy voafehintsika ny fidinanan’ny sandan’ny ariary nefa dia  taranjan’Atoa filoha Rajaonarimampianina mihitsy ity resa-bola ity.  Mahagaga ! Marobe no nanome toky fa tsy ny CRN ihany no ho avy eto an-kianja amin’ny sabotsy ka aleo i Samoura ihany no hiandry ny volana aprily 2015 eo. Hanana ny ambarany koa i Dada amin’io sabotsy io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT