Vory lanona indray ny mpitolon'ny Magro Antsirabe isan'andro nanomboka ny nahatongavan'ny filoha Ravalomanana teto Madagasikara
Hafaliana no nandraisan'Antsirabe izany saingy toa sifotra notapahan-doha indray izy ireo tamin'ny tohin'ny tantara. Omaly tolakandron'ny talata 14 oktobra dia nilanja sorabaveny mitaky ny famoahana ny filoha
Ravalomanana, izay miantefa mivantana amin'ny filoham-pirenena ny hafatra. Tsy dia nisy kabary lava fa ny fanakianana ranofotsiny ireo ho milaza ho mpitondra mahefa no nataon'ireo niteny. Nisy koa ny fanomezam-baovao nataon'ny Senatera Lanto Rabenantoandro ireo
mpitolona mikasika ny vaovao farany fantatra momba an'ny filoha Ravalomanana. Hitohy isan'andro indray, araka ny lamina, ny tolona mandra-pahita ny filoha Ravalomanana raha ny nambaran'ireo mpitarika tao an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.