Actualités

Magro Ankorondrano Hamidin’ny fanjakana amin’ny Aziatika ?


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Re izao, araka ny loharanom-baovao iray azo antoka, fa misy indray ny fikasan’ny mpitantana ny antenimieran’ny varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA) hivarotra ny tany misy ny Magro eny Ankorondrano.

Efa fantatra fa mpanambola vahiny no kendrena hahazo ny tany. Azo eritreretina ihany koa ny ambadika politika amin’ity raharaha ity satria efa nanambara ny maha kandida filoham-pirenena azy i Marc Ravalomanana filoha mpanorina ny orinasa Tiko izay manana erijika goavana handresena amin’ny 2018.

Famonoana ny mpandraharaha Malagasy

Fantatra, arak’io loharanom-baovao io ihany fa efa miala any ny « appel au projet » na fiantsoana fananganana tetikasa momba io tany io ary mpandraharaha avy any Azia no mihaodihaody ao ambadik’izany rehetra izany. Ny anaran’io tany io teo aloha hoe : « Champ des foires » no mody hanaovana ilay filazana an-gazety momba ny tolotra. Navela ho lao teo ny toerana misy ny Magro eny Ankorondrano nandritra ny fitondrana tetezamita taorian’ny famotehana azy. Tsy nisy mpikitika, tsy nisy mpanontany. Rehefa nanadio sy niezaka nanarina izany ny Tiko dia izao hihazakazahana izao ny fanagejana sy famarotana amin’ny fomba manjavozavo ilay toerana. Malagasy tanora sy very asa noho ny krizy an’alina no nilahatra nanatitra CV teny amin’ny Magro niandrandra asa avy amin’ny Groupe Tiko kanefa dia somparana sy anaovana antsojay tahaka izao. Nisy fotoana anefa nilaza ireo mpitantana ny antenimieran’ny varotra sy ny Indostria fa fanatanterahana ny baikon’ny fitsarana fotsiny no ataon’izy ireo, tamin’ilay fanakatonana ny toerana fa tsy hisy akory ny tetikasa vaovao atsangana eo. Koa mahagaga indray amin’izao fotoana ity fikasana hamoaka tolotra hamarotana ny tany ity. Ireo mpitantana ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria an’Antananarivo (CCIA)  dia efa lany fotoam-piasana (mandat) kanefa mbola sahy mandray fanapahan-kevitra goavana ihany.

Moa ve nahita bizna goavambe tany ambadibadika tany ireo mpitantana ny CCIA ka niova hevitra tampoka ? Sa ataon’ny fitondram-panjakana fitaovana politika hisomparana ny Tiko sy Marc Ravalomanana fotsiny ? Odian-tsy hita ve ny fifanarahana neken’ny rehetra tao anatin’ny tondrozotra fa averina manontolo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fananany rehetra ? Fa atao anjorom-bala foana ve izany ny mpandraharaha tena Malagasy fa ny vahiny no avela hanjaka eto Madagasikara ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT