Nandriaka ny ra ny harivan’ny alatsinain’ny paska teo tany Maevatanana
. Fiara 4x4 iray nisongona fiara nijanona amoron-dalana no nifaoka ankizy nifampitanana niampita tampoka ny arabe amin’ny lalam-pirenena faha-4, tao Ampanaovakrismasy, 5km miala an’i Maevatanana raha hihazo an’i Mahajanga. Efatra no namoy ny ainy, maty tsy tra-drano ny telo, ny iray tonga tany amin’ny hopitaly ihany fa tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Noraisin’ny tompon’ny fiara an-tanana ny fikarakarana ny razana, nanolotra omby, niantoka ny fiara nitondra ny razana any an-tanindrazany sy mitondra miverina ny mpanotrona ary vary dimy gony isaky ny fianakaviana mana-manjo. Halevina any Fianarantsoa ny roa tamin’ireo namoy ny ainy, iray any Miarinavaratra Distrikan’i Fandriana ary ny iray any Arivonimamo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.