Voatendrin’ny filankevitry ny minisitra natao omaly ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena (Grande Chancellière de l’ordre national) Ramatoa Madeleine Ramaholimihaso, fantatry ny maro amin’ny asa ataony eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny fiarovana ny zon’olombelona.
Zanak’ilay mpanefoefo Ramanandraibe anisan’ireo fianakaviana manana ny maha izy azy eto Antananarivo izy. Ramatoa Madeleine Ramaholimihaso izany no vehivavy voalohany hitantana ity sampandraharaha iray ity. Izy ihany koa no hametraka ny mariboninahitra hisaloran’ny filoha Andry Rajoelina anio. Ny olona nosokajiana fa nahavita be ho an’ny firenena no salorana mariboninahitra, izay misy sokajiny moa dia ny : Chevalier, d'Officier, Commandeur, de Grands-Officiers, de Grands-Croix de 2è classe et de Grands-Croix de 1ère classe. Ny filohan’ny repoblika sy ireo filoham-panjakana ary ny lehiben’ny mariboninahi-pirenena ihany no mahazo ny Grand-Croix de première classe. Enina hatramin’ny Repoblika voalohany ireo lehiben’ny mariboninahi-pirenena teto Madagasikara dia i Josoa Andriantsitohaina (repoblika voalohany), Pierre Longin Ramahatra (Repoblika faharoa), Joseph Ramambasoa, Philippe Razanajovy, Etienne Ralitera, Noël Rakotoamboa, Etienne Ralitera (Repoblika faha 3).Mbola Atoa Etienne Ralitera no lehiben’ny mariboninahi-pirenena tamin’ny fiandohan’ny repoblika fahefatra ka hatramin’ny 31 oktobra 2017 nahafatesany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.