Mihapotika hatrany ny tontolo iainana eto Madagasikara. Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana na ny ONE dia very hazo 36.000 ha isika teto Madagasikara tao anatin’ny dimy taona izany hoe :
teo anelanelan’ny taona 2010 ka hatramin’ny taona 2015. Anisan’ny antrony mahatonga izany ny doro tanety, ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalana ankoatra ny fanamboarana saribao sy ny fanamboarana fakana…Manoloana io tranga io dia nitondra ny anjara birikiny tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny “Groupement National des exploitants forestiers de Madagascar” . Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahin’izy ireo izany tamina velaran-tany mirefy 10 ha. Nifanindry an-dalana tamin’ny fankalazan’izy ireo ny andro maneran-tany ho an’ny ala izany ka tao amin’ny Fokontany Ambohimahavelona, kaominina ambanivohitra Talata Volonondry no nosafidiany manokana nanatanterahana izany. Zana-kazo 1.000 fototra no indray novolen’izy ireo ka anisan’ireny ny eucalyptus niampy zanaka paulownia , fanomezana avy amin’ny orinasa BEAM PAULOWNIA. Tsiahivina moa fa handray anjara tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ala niarahana tamin’ny ministera teny Ambatobe izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny trano eva manokana nampahafantatra ny asa sahanin’izy ireo. Efa 20 taona raha tsiahivina no niorenan’ny vondrona ka anisan’ny tanjona napetrak’izy ireo ny hahafahana miaro ny ala amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitry ny tsirairay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.