Actualités

Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina Mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny fifanajana


  • Zoma 10 Mey 2019

60 taona izao ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, anisan’ny nanampy an’i Madagasikara tamin’ny fifidianana farany teo.

 

 

 

 Apetraka ny fifanajana sy ny fifampizarana tombontsoa eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena miara-miasa aminy. Hampandraisina anjara amin’ny fanatanterahana ny vina IEM ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara na ny eto an-toerana na ny any ivelany, araka ny fanambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Naina Andriantsitohaina omaly teny Tsarasaotra Soavimasoandro nandritra ny fanamarihana ny andron’ny vondrona Eoropeanina. Miisa 28 ireo firenena mpikambana eo anivon’ny vondrona eoropeanina ary manodidina ny 512 tapitrisa ny mponina ao. Toekarena faharoa matanjaka indrindra maneran-tany aorian’i Etazonia ny vondrona Eoropeanina ankehitriny. Noho ny fifanarahana ara-toekarena moa dia nitombo avo roa heny ny fanondranan’entana nataon’i Madagasikara nankany eoropa tao anatin’ny 10 taona ary anisan’ny tena manampy sy manohana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny asa fampandrosoana ny eoropeanina. Fantatra fa hisy tetikasa goavana iarahan’ny roa tonta amin’ny taona 2020.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT