Actualités

Madagasikara Potiky ny tsy fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena


  • Alarobia 07 Septambra 2016

Tontolo roa miavaka mihitsy ny vahoaka Malagasy sy ny politika. Mihevitra ny tsy manana anjara andraikitra amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina eto Madagasikara mantsy ny 1/3-n’ny olom-pirenena,

 

 hoy ny tatitra navoakan’ny Incipals (Initiative Citoyenne pour la Consolidation de la Paix, Leadership et Stabilité) novatsian’ny Vondrona eoropeanina. Miaiky ny fananany adidy ihany koa ny 43%-n’ny Malagasy feno 18 taona saingy tsy resy lahatra amin’ny fahafahan’izy ireo manova ny zava-misy, araka ny fanadihadiana notontosaina tamin’ny sokajin’olona samihafa miisa 18.000 ny faran’ny taona 2015. Miiba avokoa rahateo ireo naoty azo tamin’ireo valim-panontaniana napetraka momba ny politika toy ny fanapotehana fananam-bahoaka, fanaovana herisetra mpanao politika, fandraisana anjara amina hetsika sy fitokonana na fihaonana matihanina sy eny anivon’ny fiarahamonina, fanangonan-tsonia, fidirana ho mpikambana sy fanatrehana fivoriana antoko politika. Indrokelin’ny mpandrafitra moa ny tsy fampidirana ny taranja fanabeazana olom-pirenena ao anatin’ny fampianarana Malagasy toy ny any amin’ireo firenen-kafa. Manapotika tanteraka an’i Madagasikara anefa ny krizy politika miverimberina vokatry ny tsy fandraisana andraikitry ny mponina manoloana ireo olom-panjakana tsy refesi-mandidy mitantana ny firenena.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT