Actualités

Madagasikara Potiky ny kolikoly


  • Talata 22 Septambra 2015

«Tsy ho resy ary tsy hihemotra ny kolikoly eto Madagasikara raha tsy miharihary ny firotsahan’ny rehetra an-tsehatra amin’izany ka ny olom-pirenena tsy an-kanavaka no ilaina mandray anjara amin’izy io»


,hoy ny lahatenin’ny  filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fanaovan-tsonia ilay paikady vaovao hamongorana ny kolikoly ao anatin’ny 10 taona manaraka teny Iavoloha omaly. «Mila mpitondra vonona sy sahy ny firosoana amin’ny asa izay mahakasika manokana ireo sehatra marefo toy ny fitsarana, ny polisy, ny zandarimaria, ny fitantanam-bolam-panjakana miaraka amin’ireo tontolo fanoitram-pampandrosoana ahitana ny fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka ary ny toekarena mifototra amin’ireo harena ara-boajanahary», hoy ihany ny filohampirenena Malagasy. Voaporofo amin’izany fa tena ireo sehatra iankinan’ny ain’ny firenena mihitsy no anjakan’ny koliloky ka tsy mahagaga raha mirongatra ny asan-dahalo, tsizarizary ny fiahiana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana ary ratsy dia ratsy ny tontolon’ny fampianarana.Izany no antony mampahantra ny 92%n’ny Malagasy fa kosa mampankarena olom-bitsy.

Mahazo faka lalina

Mikendry hahatratra ny maridrefy 63 amin’ny 100 i Madagasikara aorian’ny taona 2025 fe-potoana farany fampiharana ny paikady vaovao. Tarehi-marika toa ho nofy ihany raha ny fihetsik’ireo olom-panjakana ambony natao alain-tahaka sy modely tsy rototra akory amin’ny fanaovana fanambaram-pananana voalazan’ny lalàna velona. Vao minisitra 13 amin’ireo 30 sy solombavambahoaka 61 amin’ireo 151 mantsy no nahatontosa io adidy masina io. Nihena hatrany moa ny isan’ireo tompon’andraiki-panjakana nanatanteraka azy io nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2013 naharetan’ny fitondrana tetezamita.Fihenan’ny risim-po izay mahalaza zavatra betsaka satria maro no lasa manankarena tampoka rehefa lasa minisitra na mpiasam-panjakana  ambony eto amintsika, ary tsy misy fanazavana ny antony mahatonga izany.Tsapa fa efa nahazo faka any anaty fiarahamonina koa ny kolikoly eto amintsika ary ahitana azy ny sehatra rehetra,hahavita handresy izany rehetra izany ve ity paikady vaovao ity sa dia hijanona ho tarigetra na nofinofy fotsiny ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika ?



Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT