Lasa 6 tapitrisa Ha indray ankehitriny ny faritra arovana eto Madagasikara, izany hoe nampitomboina avo 3 heny raha oharina ny tamin’ny vina Durban 2003. Nampahafantarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ireo mpizaika any amin’ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny valanjavaboary sy ny haivoary any Sydney Aostralia
fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana tarihany ny fiarovana ny tontolo iainana. Nomarihany fa manana andraikitra amin’izany ny tsirairay. Tsy maintsy misy ny paikady hiatrehana ny fiarovana ny tontolo iainana ka mitaky fepetra goavana 3 izany dia ny rafitra hiasana, ny olona hiasa ary ny tetibola. Tsy maintsy vahana ihany koa ireo olana manembatsembana ny fiarovana ny tontolo iainana tahaka ny trafikana boaderôzy sy ny zava-manan’aina ohatra, eo ihany koa ny fandripahana ny ala noho ny fanaovana saribao sy ny doro tanety. Misy ny fivorian’ireo filoham-panjakana any Sydney anio ary hanana anjara fitenenana mandritra izany ny filoha Malagasy. Hafa ny kabary, ny toky sy ny fampanantenana saingy hita fa tena mbola lavitra ny lalana ho an’i Madagasikara momba ity fiarovana ny tontolo iainana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.