Mila mamboly hazo 40 000 ha isan-taona i Madagasikara raha te hiaro ny tontolo iainana sy hanolo ireo ala simba hatrizay noho ny filana isan-karazany.
Io no fantatra omaly 21 martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny ala. Mihazakazaka ny fandripahana ny ala eto Madagasikara ka tokony hisy ny ezaka goavana atao amin’ny fambolen-kazo sy fikarakarana ny ala efa misy. Mila fantatra dieny mialoha ihany koa ny filana amin’ny hazo ampiasaina hanaovana taozavatra sy fanaka, ary ny ampiasaina amin’ny fanaovana saribao sy kitay fandrehitra, hoy ny teknisianina iray. Tsy maintsy alamina mialoha izany mba handrindrana ny fitantanana ny ala. Tsara ho fantatra fa misy dingana telo ny fikarakarana sy fikojakojana ny ala, dia ny fanadiovana ny manodidina ny hazo nambolena, fandrantsanana mba hahazoana hazo mahitsy sy mitombo tsara ary ny fanesorana na fikapana ny hazo ratsy sy mibiloka mba hahafahan’ny hazo tsara mitombo ara-dalàna. Ilaina koa ny fametrahana Aroafo mba ho fiarovana ny ala amin’ny doro tanety. “Ny ala sy ny rano” moa no lohahevitra nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala tamin’ity 2016 ity, satria tena mifampiankina tanteraka izy ireo. Fitaovana voajanahary manadio ny rano ny ala izay mandrakotra ny ampahatelon’izao tontolo izao ary miantoka fiainan’olona 1,6 miliara maneran-tany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.