Actualités

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

 

 

 Ny fahaleovantena mantsy azo fa ilay fiandrianam-pirenena no miteraka adihevitra. Nanatrika ireny foara momba ny fitaovam-piadiana ireny ny minisitry ny fiarovam-pirenena nijery fitaovana entina manampy ny fitaovan’ny fanjakana Malagasy toy ny fiaramanidina, angidimby… Tena mahavelombolo izany saingy ahoana ny mangarahara amin`ireo fitaovam-piadiana tafiditra eto amintsika ? Mivaivay ihany koa ny fanakianana mahakasika ny filaharan`ny Tafika Frantsay etsy Mahamasina. Miezaka manazava ny antony amin`ny fandraisana fanapahan-kevitra samihafa moa ny fitondram-panjakana saingy mba ahoana ny fiantraikany amin`ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka, indrindra amin`izao ankatoky ny fetim-pirenena izao ? Hanao ahoana ny endrika vaovao ahitana taratra fa miady ho an`ny fiandrianam-pirenentsika isika ? Raha ny zava-misy aloha dia banga amin`ny ampahany izany ka mahatonga ny adihevitra maro samihafa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT