Hitondra hevitra vaovao ho anao, ho ahy ary ho antsika eo amin ny fampandrosoana anao, fampandrosoana ny ankohonanao ny fahafantarana an’izao zavatra voalaza manaraka eto izao.
Tsiahivina ary fa misy Faritra 22, Distrika 119, Kaominina 1693 ary Fokontany 18251 eto amin’ity firenena mamintsika ity. Manodidina ny 24 tapitrisa monja anefa ny mponina ao aminy tamin’ny taona 2011 ary ny 45% amin' ireo dia latsaky ny 15 taona avokoa. Raha atao bango tokana dia 16,3 taona ny salantaonan'ny Malagasy. Mahatratra 37,4 isaky ny km2 ny hakitroka ny mponina tao aminy tamin’ny 2011, 3,3 taona monja isika no tany am-pianarana (EDS 2008 - 2009), 20% ny Malagasy tsy nandingana varavaran-tsekoly (EDS 2008 - 2009). Manana rano 495 miliara m3 isika ka ny 355 miliara m3 dia rano ety an-tanety, ny 140 miliara m3 dia any ambanin’ny tany. Mahatratra 3 000 km ny ony sy ny farihy eto amintsika. Manana tany azo hambolena 18,6km² ho an'ny mponina 1 000 isika eto Madagasikara
Ao anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana izay manana velarana 74.000.000Km² no misy an'i Madagasikara ka feno harem-be tsy hita fiafarana amin’ny ankapobeny no hita ao. Eo amin'ny 50.000 eo fotsiny anefa no isan'ireo olona manao asa fivelomana amin'ny jono nentim-paharazana izay miparitaka amin'ny tanàna kely miisa 1250. Manana seranan-tsambo miisa 17 i Madagasikara : Fort-Dauphin, Manakara, Mananjary, Toamasina, Sainte-Marie, Maroantsetra, Antalaha, Vohémar, Antsiranana, Port Saint-Louis, Nosy Be, Antsohihy, Mahajanga, Maintirano, Morondava, Morombe, Toliara fa ny 4 amin'ireo ihany no lehibe antsoina hoe «Port d'Intérêt National» dia i Antsiranana, Toliara, Mahajanga ary Toamasina.
Tamin ny 2017: nahatratra 3 112 649 ny « kits scolaires” voazara tamin’ny mpianatra Malagasy nefa maro ireo ankizy tsy afaka nianatra nohon ny tsy fisian’ny fitaovana. 12 892 EPP no nahazo ny « Caisses écoles », 10 000 no isan ny mpampianatra nampidirina ka 49 502 tamin’ireo dia mpampianatra tsy mpiasam-panjakana avokoa. Mpampianatra niisa 3589 avy amin ny sekoly tsy miankina no nahazo “subvention” . 1083 efitrano fianarana, 146 paompin-drano sy trano fivoahana 703 no nahorina. Lakilasy 845 kosa no nohavaozina, 457 “panneaux solaires” no napetraka amin ireo sekoly tena lavitra, 310 011 mpianatra izay miparitaka amin ny sekoly miisa 6 644 no nahazo “cantine scolaire”
Tamin’ny taona 2015 isika dia namoaka ny lalàna mifehy ny Jono mba ahafahantsika miantsehatra amin io tontolo malalaka be io ary tamin ny taona 1999 dia efa manana ny lalàna mifehy ny rano, mba ahafahantsika misitraka sy mampiasa ireo rano ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.