Actualités

Madagasikara Mahantra indrindra eran-tany


  • Alakamisy 28 Aprily 2016

Tsy nisy ny fivoarana, tsy nisy ny fiovana fa na dia tsy misy ady an-trano na adim-poko aza eto dia i Madagasikara no firenena azo ambara ho mahantra sy fadiranovana indrindra maneran-tany

 

. Efa tamin’ny taona 2013 no efa nilaza an’io ny banky iraisam-pirenena ary ny zava-misy niainan’ny Malagasy telo taona taorian’io dia mbola manamafy fa niha nahantra isika.

Nopotehan’ny krizy

Noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 izay narahana krizy politika lavareny dia nitombo 4 tapitrisa ny mahantra teto Madagasikara, izany hoe efa ny 93%-n’ny Malagasy izany no miaina amina vola latsaky ny 2 dolara na 6344 ariary isan’andro. Io no tondro handrefesana ny fahantran’ny olona ao amina firenena iray. Ankoatr’io dia manodidina ny 400 000 ny malagasy very asa taorian’ny 2009 , ary na nisy aza ny orinasa nisokatra dia mbola vitsy dia vitsy tamin’ireo very asa ireo no voaray, hany ka io nitombo isa be io ny mpivarotra amoron-dalana sy ny mpanao bizna etsy sy eroa ary ny mpangataka sy ny matory eny an-dalambe. Noho ny tsy fisian’ny fitoniana dia tsy mazoto hiasa eto Madagasikara ny mpampiasa vola. Nihena hatrany amin’ny 33,2% ny harinkarena faoben’ny fampiasam-bola vahiny teto Madagasikara raha oharina amin’ny teo alohan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Ary ny tena zava-doza dia i Madagasikara no firenena hanjakan’ny kolikoly indrindra aty amin’ny kaontinanta Afrikanina, araka ny tatitry ny Transparency International.

Tsy misy ny vola

Hita ho mihodinkodina am-pitoerana fotsiny anefa manoloana izany rehetra izany ny fitondrana misy amin’izao fotoana, ny fampiantranoana fivoriana iraisam-pirenena no maha maika sy heverina fa hitondra fahagagana eto ka hampanankarena ny Malagasy. Asa raha mba maharaka vaovao ihany manoloana ny krizy any Brezila efa ho 3 taona izao ny mpitondra Malagasy fa dia ny fampiantranoana ny lalao olimpika amin’ity taona ity anie no tena naharomotra ny Breziliana satria amin-dry zareo dia fandaniam-bola io, ary raha misy vola be holaniana ihany nahoana raha hanasoavana sy hanampiana ny vahoaka aloha. Betsaka ny fampanantenana nataon’ny mpitondra HVM, nolazaina fa ho azo ny vola be avy any amin’ny vondrona eoropeanina, nosoniavina ny faran’ny volana novambra tany Bruxelles ny FED -11 mitentina 518 tapitrisa euros, saingy tsy hita izay vola azo eo. Efa nandadilady ny mpitondra malagasy vao nahazo ampaham-bola ho amin’ny fanohanana ny tetibolam-panjakana. Ary ilay FEC (facilité élargie de crédit) nampanantenain’ny FMI fa omena an’i Madagasikara dia fanampiana natokana ho an’ny firenena tena sahirana sy mandalo krizy lalina, rehefa jerena ny famaritana azy ao amin’ny tranokalan’ny FMI. Amin’izao fotoana, misesy mitranga ny olana toy ny Jirama, Air Madagascar, Fitsarana, Fampianarana, filaminana sy fandriampahalemana…fa dia tahaka ny omby mijery flôra ny fanjakana, mamono afo no atao anton’asa satria tsy manana vahaolana mahomby hanarenana ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT