Actualités

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

 Mba ahafahan’ireo mpandraharaha Malagasy mijery ireo sehatra mifanaraka amin’ny fampiasam-bola ataony dia voaasa hamonjy ny foara ara-toekarena iraisam-pirenena hotanterahina any Jakarta amin’ny volana oktobra izao izy ireo. Tanjona ny hivelaran’ny mpandraharaha Malagasy amin’ireo tsena any satria efa sokajiana ho ao anatin’ireo firenena matanjaka ara-barotra maneran-tany i Indonesia.  Malaza ihany koa ity firenena ity amin’ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny hatsaran’ny kalitaon’ny vokatra misy eo aminy ka tsara ny hifampizara traikefa sy fahaiza-manao aminy. Ny fandraharahana any Sina sy Tailand hatrany no mahazatra ireo mpandraharaha ka hohamoraina mihitsy ny fahafahan’izy ireo hankany Indonezia amin’ity foara ity, hoy ny mpiraki-draharaha Indoneziana. Raisina an-tanana avokoa avokoa, hoy izy ny fikarakarana amin’ireo dia mandroso sy miverina ary ho maimaimpoana ny fakana VISA.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT