Actualités

Madagasikara Ifandrombahan’ireo firenena matanjaka


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Tsy kisendrasendra akory ny fijoalajoalan’ireo fotodrafitrasa goavana masoivohon’ireo firenen-dehibe tahaka an’i Etazonia, Sina na Rosia eto Madagasikara. Antony goavana mahatonga ireo firenena matanjaka sy vaventy mpikambana ao amin’ny G8 no miezaka mampiroborobo ny fiaraha-miasan’izy ireo amintsika amin’izao vanim-potoana izao ireo karazana harena hita eto Madagasikara, araka ny fanamarihana nataon’ny tompon’andraiki-panjakana vahiny iray.

Azo tsongaina amin’izany ireo harena an-tanety, ankibon’ny tany sy any anaty ranomasina manerana ny nosy; tsara ho marihana fa manana tahirin-tsolika hatrany amin’ny 13 miliara barila i Madagasikara raha araka ny fanadihadian’ireo manampahaizana vahiny. Azo sokajiana ho faritra stratejika ara-jeografia ny toerana misy ny firenena Malagasy. Mampisongadina an’i Madagasikara ihany koa ireo tsenam-paritra marobe hita manodidina azy. Iaraha-mahita tokoa aloha ankehitriny ny fibosesik’ireo masoivohon’ireo firenena maro samihafa tonga manatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa sy hionona eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Eny fa na ireo firenena izay tsy dia nisy fifandraisana firy tamintsika tany aloha aza dia tonga mandranto fihavanana amin’ny mpitondra fanjakana amin’izao Repoblika faha-4 izao. Na izany na tsy izany dia mifototra foana amin’ny fifanarahana mazava eo amin’ny firenena roa tonta hatrany ny famaritana ny fifandraisam-piaraha-miasa. Tanjona ao anatin’izany ny tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila fa samy hahazo ny tandrify azy ny an-daniny sy an-kilany aorian’ny fanomezana tombondahiny ny olom-pirenena malagasy izay tsy dia hita soritra loatra hatramin’izao. Azo hanazavana ny krizy nipoitra teto tamin’ny 2009 ny ady varotr’ireo firenena vahiny mba hampahazo tombotsoa azy ireo eto, anjaran’ny mpitondra Malagasy anefa no mandamina izany rehetra izany mbahiarovana ny harem-pirenena.Ka fiaraha-miasa hahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombotsoa tokoa no atao fa tsy sanatria fanekena be fahatany ny baikon’ny vahiny te hitsetsitra ny harena rehetra eto !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT