Actualités

Madagasikara Hahazo 65 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisampirenena


  • Zoma 25 Novambra 2016

Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisampirenena ny 22 novambra teo ny fanomezana vola mitentina 65 tapitrisa dolara an’i Madagasikara.

Hatolotry ny mpamatsy vola mahazatra io mari-bola io hanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny fitantanam-bolam-panjakana miaraka amin’ny fametrahana fandraharahana manome vahana ny fampiasambola izay tafiditra ao anatin’ireo fanavaozana nirosoan’ny governemanta voalazan’ny drafi-pirenena momba ny fampandrosoana hisian’ny harinkarena tsy manavaka sy maharitra ho an’ny fiarahamonina Malagasy. Kendrena manokana ny hampiakarana ny hetra miditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana izay manana taha ambany indrindra manerantany satria tsy misy afa-tsy ny 10%-n’ny vokatra anatin’ny firenena nandritra ny taona 2015, hoy ny solontenan’ny Banky iraisampirenena monina eto Madagsikara Coralie Gevers. Haharitra 2 taona moa ny fanohanana ka hifantoka betsaka amin’ny lafiny fitantanana ny tetibola sy ny tontolon’ny fandraharahana ny 12 volana farany. Tanjona ny fampihenana ny fahantrana mitarazoka amin’ny alalan’ny fampivoarana ny fari-piainan’ireo mahantra fadiranovana.


Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT