Actualités

Madagasikara – firenena mahantra Hisitraka ny «IDA turnaround facility»


  • Talata 09 Febroary 2016

Mikorontana ny tontolon’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Tsy mihetsika na potika tanteraka mantsy ireo tondro ara-toekarena sy ny lafiny ara-tsosialy, araka ny fijerin’ny Banky iraisampirenena azy nanomboka ny taona 2013.

 

 Voasokajy ho marefo tsy afa-manoatra manoloana ny olana ara-politika, filaminana ary tontolo iainana mihitsy moa ireo andrimpanjakana misy eto Madagasikara. Manampy trotraka ny tsy fahafahan’ny nosintsika mamerina ireo trosa nindramina. Antony nanapahan’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisampirenena hampiditra an’i Madagasikara ao anatin’ireo firenena roa tena mahantra voalohany hisitraka ilay antsoina hoe «IDA turnaround facility». Fomba fiasan’ny IDA ny fampindramam-bola tsy misy zanany, tetikasa sy programa ho fampihetsehana ny harinkarena sy fampihenana ny fahantrana miaraka amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo mponina sahirana. Dingana lavitr’ezaka ilaina finiavana avy amin’ny mpitarika firenena anefa ny fanampiana avy amin’ity sampana fikambanana iraisampirenena misahana ny fampandrosoana hatramin’ny taona 1960 ao Bretton Woods ity. Vinavinaina eo amin’ny 240 tapitrisa dolara isan-taona mandritra ny 3 taona ny tetibola hatokan’ny Banky iraisampirenena hanatontosana ireo fandaharanasa voafaritra mazava ireo.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT