Actualités

Madagasikara Firenena faha-8 mahantra indrindra manerantany


  • Zoma 26 Desambra 2014

Miisa 48 ireo firenena sokajiana ho tena mahantra manerantany, araka ny tatitra navoakan’ny «Conférence des Nations Unies sur le Commerce Et le Développement» tamin’ny volana novambra 2014 lasa teo. Anisan’ireo firenena ireo ny nosy Kaomaoro sy i Madagasikara izay samy aty amin’ny tapany atsimo andrefan’ny ranomasina Indianina.

Raha mitana ny laharana faha-26 ity nosy rahavavy ity dia any amin’ny toerana faha-8 amin’ny farany kosa no ahitana ny firenena Malagasy. Manaporofo izany ny karama raisin’ny Malagasy isam-batan’olona izay manodidina ny 440 dolara isan-taona raha mandray vola hatrany amin’ny 102.602 dolara kosa ny mponina ao Norvezy amin’ny ankapobeny mandritra ny 12 volana. Voalazan’ity sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana indrindra ny varotra iraisam-pirenena fa nahatratra ny tanjon’ny harin-karena 7% nifanarahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo firenena 48 tena sahirana ireo teo anelanelan’ny 2002 sy 2008  ary 5,7% taorian’ny krizy ara-bola nitranga tamin’ny 2008. Tsy mijanona irery amin’ny harin-karena ara-toekarena anefa ny fampandrosoana fa ilaina koa ny fanavaozana ara-drafitra mifantoka amin’ny fampitomboana ny vokatra izay mifanindran-dalana amin’ny karama tsaratsara kokoa. Mifototra tanteraka amin’ny fandaharanasa fampandrosoana ara-toekarena sy fanomezan-danja ny maha olona rahateo ny toromarika aroson’ny Cnuced ireo firenena mahantra indrindra manerantany manomboka ny taona 2015.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT