Tsy ampy ny fampiasambola amin’ireo sehatra mpamokatra eto Madagasikara. Antony tsy mampisongadina ny toekarena Malagasy izay tsy mifandanja amin’ny isan’ny mponina.
Niakatra hatrany amin’ny avo roa heny ny isan’ny Malagasy teo anelanelan’ny 1990 sy 2013 ka nitranga mialohan’ny taona 2003 ny antsasaky ny fitomboana. Hiabo 50% izany hoe hahatratra 36 tapitrisa ny mponina eto amin’ny nosy amin’ny taona 2030 ka hananika ny 2 tapitrisa ny isan’ireo tanora 15 hatramin’ny 24 taona, raha ny vinavina faran’ny Firenena mikambana. Sahirana amin’ny fifehezana ny fototry ny ekonomia ao aminy ihany koa i Gasikara, araka ny antontan-kevitra fanadihadiana isaky ny firenena navoakan’ny Banky iraisampirenena. Nilatsaka hatrany amin’ny antsasany moa ny harikarena anatiny isaky ny Malagasy ny taona 2014 izay 271 dolara mitovy ny tamin’ny taona 2005 mihoatra ny tamin’ny taona 1971 izay 501 dolara. Anisan’ireo firenena manana harikarena ambany indrindra i Madagasikara. Zara raha niabo 1% io salan’isa io amin’ny ankapobeny teo anelanelan’ny taona 2009 sy 2014. Tarehimarika izay latsaka be amin’ny salan’isan’ireo firenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Sahara izay 4,7% ny taona 2013.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.