Actualités

Madagasikara Airways Tonga ny fiaramanidina faharoany


  • Sabotsy 05 Martsa 2016

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly tolakandro ny fiaramanidina faharoa an’ny kaompania tsy miankina Madagasikara Airways.

 

 Embraer 120 ER, misy motera roa, mitovy karazany amin’ilay « Ankoay », izay fiaramanidiny voalohany tonga tamin’ny 15 oktobra 2015, ity vao tonga omaly ity. Mpanamory vahiny no nanatitra azy. Amin’ny 8 martsa 2016 no hanao ny sidina voalohany ity fiaramanidina vao tonga ity, hihazo an’i Toamasina sy Sainte-Marie. Hitrandraka ny zotra mankany amin’ireo nosy rahavavy, Mayotte sy La Réunion ity vao tonga omaly ity aorian’izay. Nanamafy ny mpitantana ny Madagasikara Airways fa manana CTA (Certificat de Transport Aérien), izay fahazoan-dalana ahafahan’ny orinasam-pitaterana anabakabaka iray mitrandraka ny lanitr’i Madagasikara. Miara-miasa amin’ny kaompaniam-pitaterana afrikanina tatsimo, Air Link ihany koa ny Madagasikara Airways.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT