Niompana betsaka tamin’ny tarehimarika ny fanazavan’ny minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy Realy Onitiana tao amin’ny onjampeo tsy miankina iray omaly.
Voaresaka manokana tamin’izany ny lafiny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny. Nitondrany fanazavana misimisy kokoa moa ny mikasika ilay politikam-pirenena manasongadina ny fiarovana ara-tsosialy izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena mitentina 40 tapitrisa dolara miaraka amin’ny fepetra. Ny zava-misy aloha dia tsy nahatratra ny taha 35%-n’ireo Tanjon’ny Taona arivo fahatelo momba ny Fampandrosoana miisa 8 nifarana tamin’ity taona 2015 ity ny firenena Malagasy. Raha niainga tamin’ny 69% mantsy ny salanisam-pahantrana tamin’ny taona 2001 nankatoavantsika ny OMD dia niakatra ho 71,50% ireo mahantra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Tsy nihetsika fa nijanona nahantra ny vahoaka eto Madagasikara nandritra ny 15 taona, araka ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Mahagaga anefa fa mitranga hatrany ny krizy tao anatin’ireo fotoana nampiarin-doha ny fiainan’ny mponina toy ny tamin’ny taona 2001 sy ny taona 2008, hoy ramatoa minisitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.