Masaka ny famerenana, vonona ireo mpanakanto. Ho lanonam-be ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina rahampitso sabotsy 3 oktobra, miaraka amin’ny Madagascar All Stars ahitana an’i Jaojoby, Regis Gizavo, Justin Valiha, Erick Manana, Dama ary Olombelo Ricky.
Mpanakanto Malagasy enina mirahalahy andrarezina, malaza erantany ary nanandratra avo ny zavakanto Malagasy tany andafin’ny riaka tany no tafaraka an-tsehatra amin’io hanao valimbabena an’i Madagasikara. Ny hiran’izy enin-dahy no hohiraina amin’io, ireo hira nampirarakivy ny vazaha tany ivelany tany, izy enin-dahy ihany koa no mitendry fa tsy arahin’olon-kafa. Santatry ny fitezam-paritra hataon’ny Madagascar All Stars ity seho “Valimbabena” hatao ao Mahamasina rahampitso ity, ny mpijery sisa no andrasana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.