Toy ny zanaka an-trano ! Vahinin’ny « Madagascar Airways » ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, nampisehoan’izy
ireo ny fiaramanidiny faharoa EMBRAER-120E vao tonga ny 4 martsa teo, hanampy ny “Ankoay”, fiaramanidina mitovy karazana amin’io, efa tonga tamin’ny 15 oktobra 2015 ary efa mitatitra manao zotra anatiny. Nankasitraka ny finiavan’ny mpandraharaha tanora, toa an’i Manankasina Raobelina, tompon’ny Madagascar Airways ny filoha ary nampirisika ny mpandraharaha teratany, hanandratra hatrany ny maha Malagasy.
Mampiasa olona 60 ny Madagascar Airways, ka Malagasy ny 53 amin’ireo, teratany vahiny kosa ny 7. Ny zotra Sainte-Marie, Toamasina, Sambava, Antsiranana ary Mahajanga no efa trandrahany amin’izao. Afaka folo andro eo dia hiitatra any Nosy Be ny zotra araka ny nambaran’i Manankasina Raobelina, amin’izao nahazoany fiaramanidina fanampiny izao. Hitohy any Morondava sy Toliara manomboka amin’ny volana aprily ary Mananjary sy Tolagnaro manomboka amin’ny volana mey 2016. Manan-kevitra ny hitrandraka ny zotra mankany amin’ireo nosy manodidina aty amin’ny ranomasina indianina, La Réunion sy Mayotte koa ny Madagascar Airways.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.