Actualités

Mada Foire Unity Hampivondronana ireo mpandraharaha ara-barotra


  • Sabotsy 30 Aprily 2016

Hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 16 hatramin’ny 18 jona 2016 ny «Mada Foire Unity».

 

 Tanjon’ny foara ny fampivondronana ireo mpivarotra maro avy amin’ny sehatra isan-karazany. Tsy tongatonga ho azy rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika, hoy ry zareo mpikarakara ny Vondrom-Paritany Laïka Antananarivo Atsimo. «Mada» satria manana ny hareny mampiavaka azy ny firenentsika eo amin’ny tontolon’ny varotra. «Foire» ihany koa satria mankafy ireo karazana tsenabe mampisongadina ny fifanakalozana ny mpivarotra sy ny mpanjifa Malagasy. Ary «Unity» satria ilaina misongadina ny firaisankina sy fitovian-tsaina eo amin’ireo mpandraharaha ara-barotra. Mpitsidika hatrany amin’ny 1 alina moa no andrasana mandritra ny hateloana ka asaina manokana amin’izany ireo raim-pianakaviana.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT