Hotanterahina ny harivan’ny sabotsy 3 desambra ho avy izao indray etsy amin’ny Carlton Anosy manomboka amin’ny 7 ora ilay hetsika Mada Festival Sakafo hiarahan’ny sefo Pon Elian mpahandro sakafo etsy amin’ny Carlton sy sefo Mariette Andrianjaka.
Sakafo Malagasy ahitana karazany telo no haroso amin’izany ao anatin’ilay lohahevitra Haren-dranomasina. Omena vahana ireo karazan-tsakafo avy any amin’ny faritra ravahin’ny trondro sy ny hazandrano rehetra na an-dranomamy na an-dranomasina. Hetsika iray ngezabe ho antsika Malagasy io raha araka ny fanazavan’ny sefo Mariette Andrianjaka antony manosika azy hampirisika ny mpiarabelona hatrany mba hiverina hamboly sy hiompy eny ambanivohitra. Hanafana ny lanonana ny tarika Mily Clement sy Lego, mpanakanto Malagasy izay samy manana ny maha izy azy avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.