Actualités

Lycée Saint Vincent de Paul Mpianatra 4 no indray nanjavona


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Mpianatra efatra no indray nanjavona tsy hita nanomboka ny alatsinainy hariva teo tao amin’ny Lycée Saint Vincent de Paul Ambatonilita.

 

 Olana ara-pianakaviana no fantatra fa  nahatonga izany, antony manosika ireo ankizy maro eto an-drenivohitra handao ny tokantranony.  Raha  ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny sekoly Randrianarisoa Ange mantsy dia zanak’olona efa nisara-panambadiana ireto tovolahy kely roa mpianatry ny sekoly ireto. Taona fahasivy hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC ny iray  ary taona fahavalo kosa ny iray. Ny rainy no hipetrahan’izy ireo. Nisy  fifandonana anefa  teo amin’ilay tovolahy kely zokiny 16 taona tsy hita sy ny rainy ny faran’ny herinandro teo. lasa  nitsoaka ity tovolahy kely ity niaraka tamin’ny zandriny ny alatsinainy hariva teo, niampy  ny olon-tiany ao amin’ny taona faha-11 sy ny namany iray akaiky azy ireo izay mbola mpianatry ny sekoly ihany koa. Mbola nandalo tany an-tokantranony ilay tovovavy kely olon-tiany ny alatsinainy hariva teo nangorona ny entany. Raha araka ny vaovao azo moa dia nentin’ilay tovolahy kely any ambanivohitr’izy ireo ireto namany telo ireto ary tsy mbola hita izy ireo hatramin’ny omaly. Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana no mandray an-tanana ny raharaha. Anatra ho antsika ray aman-dreny ny tranga tahaka izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT